Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
GasikaraNews
17 janvier 2018

Vakisiny Polio : 200 000 no tanjona tratrarin’ny mpiasan’ny fahasalamana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 17 janoary 2018 ny Fanamafisana ny hetsika vakisiny Polio ho famongorana tanteraka io aretina io eto Madagasikara.

Aretin’ny lefakozatra azo avy amin’ny fahalotoana sy ny fanaovana tsirambina ny fahadiovana ny Polio. Raha ny tatitry ny tompon’andraikitry ny fahasalamana, efa kely sisa ireo trangan’aretina miy eto Madagasikara raha nahitana 350 000 izany ny taona 1988, nihena 37 kosa ny taona 2016 lasa teo.

Ny zaza vao teraka hatramin’ny faha 59 volana no atao vakisiny ary efa nisy hetsika 10 notontosaina nanoboka ny taona 2015 ary mbola hisy hetsika 10 ihany koa ho amin’ity taona ity. Izany hoe manodidina ny 20 eo izany ny hetsika fanaovam-bakisiny atao hanafoanana tanteraka io aretina io eto Madagasikara. Raha ny fantatra mantsy, firenena 4 sisa maneran-tany no miisy ity aretina ity : Afganistan, Pakistan, Nigeria ary Madagasikara. Eo ampikarakarana ny fangatahana ny filazana ofisialy ny tsy fisian’ny aretina Polio intsony eto amintsika. Ny vondrona iraisam-pirenena kosa anefa no miara-misalaha amin’ny firenena malagasy amin’izany.

Nanentana ny mponina mba hitondra ny zanany hatao vakisiny ey amin’ny CSB ny mpiasan’ny fahasalamana. Nilaza ihany koa izy ireo fa misy ny fanakekezana ny mponina amin’ny fidiann’ny mpanao vakisiny eny amin’ny faritra be olona ary manao izany vakisiny izany.

 Maimaim-poana ny fanaovana io vakisiny io saingy misy kosa ireo ray aman-dreny tsy mankasitraka ny fanaovana izany. Ho an’ity sekoly nandray ny fotoam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny etsika fanaovam-bakisiny ity ohatra izao dia mifanasaka ny isan’nireo ray aman-dreny maniky sy mandaha ny fanaovam-bakisiny raha toa ka manodidina ny 80 eo ny mpianatra mianatra ao amin’ity sekoly ity.

Anjaran’ny dokotera  sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny manentana ny mponina amin’ny vakisiny noho izany saingy malalaka ny safidy ho an’ny ray amandreny manaiky ny hanaovana izany amin’ny zanany. 

 

=================> Ny HEVITRAO sur GASIKARANEWS.canalbolg.com (free)

polio-vaccin

Publicité
Publicité
Commentaires
GasikaraNews
Publicité
Archives
Publicité